Actualités

Nafenina tao anaty gonin-tsaribao Sokatra 54 isa avy any Toliara saika haondrana eto Antananarivo


  • Alakamisy 06 Aprily 2023

Mbola mahazo vahana hatrany ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena eto amintsika. Sokatra miisa 54 natao tao anaty gonin-tsaribao indray ny 03 aprily teo no saron’ny Polisy

miasa ao Ihorombe. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nahazo antso avy amin’ny olona tsara sitrapo izy ireo mikasika izany. Nanao ny fanadihadiana avy hatrany ny Polisy ka tao Ihorombe ihany ny kamiao lehibe iray mpitondra saribao. Rehefa natao ny fisavana ireo entana nentiny dia nahitana sokatra iray gony izay nafenina tao afovoan’ireo gony nisy saribao. Natao ny fikarohana izay mety ho tompon'antoka tamin’izany ka olona miisa 03 no voasambotra tany Toliary izay fantatra fa tompon'ireo sokatra saika ahondrana eto Antananarivo ireo. Vehivavy ny iray amin’izy ireo raha lehilahy kosa ny 02 ambiny. Efa naverina any amin’ny toerana niaviany moa ireto sokatra ireto ho fiarovana ny ainy. Ankoatra ny fanondranana sokatra an-tsokosoko tahaka izao moa dia tsiahivina fa mbola misy ireo hotely manao laoka azy ireny any amin’iny lalam-pirenena fahafito iny ka tokony arahi-maso sy henjehina araka ny lalana ihany koa.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT