Na nihena aza ny delestazy

Mbola tsy misitraka herinaratra mahafa-po ny malagasy


  • Alarobia 04 Desambra 2024

Mbola tsy misitraka herinaratra mahafa-po ny malagasy na nihena aza ny delestazy hatramin’izay

fotoana nisian’ny fampielezankevitra ho an’ny fifidianana kaominaly izay. Mbola tsy mahaleo ny sarany ny vidiny, hoy ny fomba fiteny, nefa heverina ho tokony tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe tolotra ho an’ny vahoaka na «service public» izany tolotrana herinaratra sy rano avy amin’ny orinasam-panjakàna Jiro sy rano malagasy na JIRAMA izany. Araka ny fanadihadiana natao tamina tokantrano maromaro teto Antananarivo renivohitra dia isan’ny mbola ahitàna izay tolotra tsy mahafa-po izay, ohatra, ny filatsahan’ny hazavàna azo amin’ireo jiro mirehitra ao an-trano. Azo jerena ihany koa izay tsy fahampian’ny tosika izay ho an’ireo tokantrano mampiasa fandanjàna herinaratra na «stabilisateur» ao an-tokantranony satria dia misy faritra eto an-drenivohitra no tsy mahatosika any amin’ny 220 Volt akory izay herinaratra izay, hoy ny fanazavàna. Antony hampiasan’ity tokantrano ity izay «stabilisateur» izay ny mba ho fitandroany indrindra ihany koa ireo fitaovana sarobidy miankin-doha amin’ny herinaratra satria tena efa maro ireo fitaovana potika vokatr’ilay tsy fahatomombanan’ny herinaratra atolotry ny JIRAMA, raha ny fanazavàny ihany.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT