Na nahery vaika aza ny rivodoza

Nampiaina ny zavaboahary ny orana nilatsaka aloha!


  • Alatsinainy 13 Janoary 2025

Na noho ny rivodoza na noho ny rivon-tsoa dia nampiaina ny zavaboahary ny orana nilatsaka aloha,

hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanara-baovao sendra tratr’orana teny an-dalana iny sabotsy iny, raha ho an’ireo mponina teto Analamanga! Heverina ihany koa etsy ankilan’izay fa tsy nisy izay tsy niandrandra izany atao hoe rotsak’orana izany ny faritra rehetra manerana ny nosy. Maray fo amin’ireo mpiray tanindrazana any amin’iny faritra avaratra atsinanan’ny nosy iny sy izay faritra hafa efa tra-pahavoazana, na izany na tsy izany, aloha izany izao rehefa malagasy manoloana ny fahoriana maha traboina azy ireo any an-toerana vokatr’izao fandalovan’ny andro ratsy Dikeledi izao. Raha ny angom-baovao voaray teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro aloha dia aorian’ny mety ho fandalovan’ny andro ratsy mihitsy vao mety hahazo rotsak’orana feno ny eto afovoan-tany. Izany hoe mety amin’io herinandro hoavy io mihitsy, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT