Mihapotika ny tontolo iainantsika eto Madagasikara ankehitriny. Lohalaharana amin’izany ny fiovaovan’ny toetr’andro vokatry ny doro tanety, ny setroka fiara…
Noho izay antony izay indrindra no nanosika ny fikambanana “My Crew” hanangana tanàna iray hanome modely tsara ny mpiara-belona rehetra momba ny fiarovana ny tontolo iainana. Anisan’ny tanjon’ny fikambanana ny hanangana ny Eco-village, tetikasa tsy mbola nisy teto amintsika hatramin’izay. Hatomboka any amin’ny fananganana trano izany, izay hampiasana manokana ireo karazana akora hafa mihitsy, tsy hanapahana hazo na hamotehana zavatra hafa ka any Toamasina, Faritra Atsinanana no hisantarana azy voalohany. Velaran-tany manodidina ny 2.620 m2 ao amin’ny Cité Vohitsara no hatanaterahana izany ka tavoahangy plastika no hanorenana ny asa. Ny orinasa Star no manolo-tanana ny fikambanana amin’ny alalan’ny fanomezana tavoahangina “eau vive” 150 sl efa tsy miasa intsony miisa 2.000 mba tsy hiparitahan’izy ireny handoto tanana izay tafiditra ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana ihany koa. Mbola hitohy hatrany ny famatsiana tavoahangy. Marihina moa fa hotokanana amin’ny volana novambra ho avy izao ity trano voalohany vita amin’ny tavoahangy plastika ao Toamasina ity, ao anatin’ilay hetsika “Festival Art Iary”.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.