MPOX, FAKO MIPARITAKA

Nihena ireo mpiala sasatra


  • Zoma 14 Aogositra 2026

miazo an'i Toamasina

Nihena hatrany amin'ny 50% ireo mpiala sasatra miazo an'i Toamasina amin'izao vakansy lehibe izao raha araka ny fanadihadiana natao. Tsy nitombo firy fa toy ny teo aloha ihany ireo taxi-brousse miazo ity reni-vohitry ny faritra Atsinanana ity isan'andro raha anisan'ny toerana faharoa tena be mpankafy izy hatramin'izay rehefa vakansy lehibe tahaka izao. Antony mahatonga izany ny fako miparitaka ao an-tanana izay mampanahy mafy ny vahiny. Toerana maro no ahitana izany raha araka ny fitarainan'ireo mpiala sasatra tonga any an-toerana. Eo ihany koa izay tena tsy azo hamaivanina ny fisian'ny valan'aretina MPOX any an-toerana. Fantatra mantsy raha araka ny tatitry ny Ministeran'ny Fahasa-lamam-bahoaka fa miisa 49 ireo tranga voamarina ao Toamasina I. Misy tranga roa hafa ihany koa ao Toamasina II amin'izao. Any Mahajanga kosa ny iray raha any amin'ny distrikan'i Morondava ny iray. Iray hafa no sitrana. Fantatra araka izany fa saika any Foulpointe avokoa no mialokaloka ireo mpiala sasatra efa tonga any an-toerana. Tsiahivina fa miisa 5.054 ireo olona tratrany ny valan'aretina MPOX izay tranga hita teto amintsika. Ny 3332 no voamarina ka ny 2348 tamin'ireo no sitrana soa aman-tsara. Miisa 22 kosa ireo namoy ny ainy hatreto. Miantso ny rehetra hampihatra hatrany ny sakana ara-pahasalamana noho izany ny Ministera tompon'andraikitra hiarovana ity aretina ity tsy hiparitaka eto amintsika.
Pati

 

Légende : Toerana be mpitia ny lalam-pirenena faharoa miazo an'i Toamasina saingy indrisy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT