Manoloana ny resaka fanesorana amin’ny toerany ny sefo fokontany ao Mandrosoa Ivato izay voarain’izy ireo ny faran’ny herinandro dia mivonona ny hanao fitokonana amin’izao fotoana izao ny mponina eny an-toerana.
Mandeha rahateo ny fanangonan-tsonia, raha ny fampitam-baovao, ho fangatahana ny lehiben’ny distrika misahana azy ireo mba hanafoana io fanapahan-kevitra voalaza io. Raha voatery tsy maintsy hiziriziry amin’ny heviny kosa anefa ny avy eo anivon’ny distrika, hoy hatrany ireo mponina, dia aleo farafaharatsiny mba ireo mponina ihany no mifidy izay tiany hitantana azy. Azo lazaina ho kaominina mandroso moa ny misy ity fokontany ity ary heverina fa ahitana taratra izany ihany koa i Mandrosoa Ivato. Nanamafy omaly ny ben’ny tanànan’Ivato Penjy Randrianarisoa fa tsy marina ny filazana hoe olona tsy monina ao an-toerana no atao sefo fokontany vaovao; teny mponina ao io, hoy izy ka aoka tsy ho korontanina ny saim-bahoaka fa misy fandaminana atao dia tanterahana izany.Mahatoky ny fahendren’ny vahoaka ety amin’ny kaominin’Ivato aho , hoy ny ben’ny tanàna.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.