Actualités

Mponin’Antananarivo Voataiza tsy hamokatra tsy fidiny


  • Alarobia 22 Febroary 2023

Voataiza tsy hamokatra tsy fidiny manoloana ny fahapotehan’ny lalana miha lalim-paka sy ny toham-boivoy eto Antananarivo ankehitriny ireo mponin’Antananarivo renivohitra.

Ny ben’ny tanàna moa efa mandany andro mivazivazy zaritenany any anaty tambazotran-tserasera sasany toy ny amin’ny alalan’ny fitenenana hoe “Lany aiky i Vazaha be fa tsy misy fika afa-tsy teleferika”. Hiandry ny teleferika tsy hivalana izany, hoy ireo olompirenena mpisehatra amin’izay lafiny izay koa mamaly azy. Lany ora 2 na 3 eny an-dalana mihitsy aza ireo mponina sasany noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Voatery mifoha maraina hitolona taksibe rehefa tsy manam-bola hitaingenana taxi-moto na fiarakaretsaka. Reraka ambony ihany noho ny tsy fahampian-torimaso satria efa tsy misy lera intsony ity fitohanana ity ankehitriny. Tsy misy izany “heure de pointe” izany intsony izao, hoy ireo olompirenena maneho hevitra fa na andeha hiasa na hivoaka ny trano na hamonjy fotoana na hamonjy fodiana dia tratrany foana. Mihena mazava ho azy ny famokarana sy zava-bita ary ny zavatra azo atao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT