Mponin’Ankazotoho Anosimahavelona

« Miaramila iray mamo nampihorohoro anay tamin’ny basy »


  • Alatsinainy 05 Febroary 2024

Miaramila iray no voalaza fa mamo ka nampihorohoro ny mponina tao

Ankazotoho Anosimahavelona, boroborintany faha-4 ny sabotsy lasa teo. Nanao fanamiana izy io, ary nitondra basy kalaky niaraka tamin'ny « chargeurs » miisa 2 ka ny iray nipetaka tamin'ilay basy, ny iray notazoniny teny an- tanana, raha ny fanamarihana. Nisy ny fandraisana andraikitra mba hisorohana ny mety ho zava-doza aterany, ka niditra an-tsehatra ny polisy. Tsy nanaiky netin'ny polisin'ny 5ème anefa izy io ary nanao vava be tamin'ireo polisy hoe "tsy misy miala eto na hifampitifitra eto aza isika!", hoy hatrany ny fitantarana. Tonga ny namany miaramila izay izy vao nandeha ity miaramila ity, raha ny fanamarihana. Mihorohoro ny mponina Ankazotoho noho ity tranga niseho omaly ity. Miandry ny tohin' ity raharaha ity ny mponina ao Ankazotoho Anosimahavelona mba tsy handehandeha ho azy ity tranga iray ity. Somary saropady ny raharaha, indrindra fa teo ihany koa ny fidirana an-tsehatry ny polisy. Raha ampifandraisina amin’ny tranga hafa, dia nisy ny fanambaran’ny Minisitry ny fiarovam-pirenena teo anatrehan’ny raharaha miaramila voasaringotra tamin’ny raharaha asan-dahalo tany Ankazobe hoe : tsy miaro olon-dratsy ny tafika, ka heverina fa mety hisy ny fepetra raisina mahakasika ny tranga toa itony.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT