MPONIN’ANDILAMENA

Leo delestazy, nitokona nilanja sora-baventy


  • Alakamisy 21 Martsa 2024

Mihamafy ny olana ateraky ny delestazy manerana ireo faritra maro eto amintsika.

Ankoatra ny fahasahiranam-bahoaka izay efa mihoatra ny loha mantsy dia mbola vesatra hafa ihany koa ny tsy fahafahan’ny sasany manatanteraka ny asa fivelomany vokatr’izay fahatapahan-jiro matetika izay. Ho an’ireo mponina ao Andilamena, Faritra Alaotra Mangoro dia voatery nivoaka ny trano nitokona nilanja sora-baventy mihitsy izy ireo, omaly Alarobia 20 Martsa. Efa andro maromaro mantsy izao no tsy nirehitra intsony ny jiro any an-toerana. Mirongatra ihany koa ny tsy fandriampahalemana vokatr’izany raha vantany vao maizina ny andro ka anisan’ireny ny fanendahana sy ny fanaovana sinto-mahery. Nanambara moa ireo mponina ao Andilamena fa efa ela izy ireo no nampandre ny orinasa JIRAMA saingy tsy mbola nisy vahaolana hatreto. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky ity delestazy tsy misy farany ity araka izany izy ireo. Nomarihin’ireo mponina moa fa tsy hitsahatra ny fitakiany raha tsy miverina mirehitra ny jiro.
Pati
Legende : Tezitra tahaka izao ny mponina dia nivoaka ny trano nilanja sora-baventy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT