MPONINA NESORINA TAO MENABE

Tsy manan-kaleha, efa nisy maty an-dalana…


  • Talata 22 Oktobra 2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

ho fitandroana ireo faritra arovana, raha araka ny vaovao voaray. Tsy mahita aleha intsony mantsy izy ireo noho ny asa fihariany sy ny tranokely izay noravana tao anatin’ireo faritra arovana nipetrahany ireo hany ka lasa mirenireny tsy mahita aleha intsony. Raha araka ny fantatra dia miala any Belo Tsiribihiana izy ireo no mandeha dia an-tongotra mivoaka mankany Morondava, mirongo zaza sy ireo entana kely eny an-tanana sisa mba zaka. Eny amoron-dalana izy ireo no matory isan-kalina ka zaza miisa roa no voalaza fa efa maty teny an-dalana izay 5 sy 6 taona. Nalevina teny an-dalana ihany ireto farany hoy ny vaovao azo. Raha ny fantatra hatrany moa dia vahoaka avy any Betioky any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana izy ireo. Teny am-piandohana dia nisy ihany ny kamiao nitondra azy ireo tao Bevoay, kaominina Ankatrakatraka , distrikan’i Morombe, faritra izay mampisaraka ny Faritra Atsimo Andrefana sy Menabe. Taty aoriana anefa dia tsy nitohy izany, antony nahatonga azy ireo mandeha dia an-tongotra. Tsy mety tapitra anefa izany. Vao omaly Alatsinainy 21 Oktobra indray mantsy dia fiara tsy mataho-dalana miisa 2 no nanatitra olona tao Bevoay niampy ireo 50 tamin’ny 80 isa mbola taraiky ao. Efa 3 andro mantsy ireto farany no nijanona tao. Efa niantso ny havany ary efa lasa nody kosa ireo 30 isa. Tsy mahita sakafo omena azy ireo intsony ny sefom-pokontany ao an-toerana sy ny filohan’ny koperativam-pitaterana ao an-toerana manoloana izany noho ny hamaroany. Manginy fotsiny ny fitsaboana ireo tsy salama. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny fanampiana ireny mpifindra monina ireny araka izany izy ireo.
Pati
Legende : Tahaka izao ny mahazo ire mpifindra monina, matory eny amoron-dalana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT