Mponina manohitra ny Base Toliara

«Hifankahita tokoa isika rehefa tsy hifampiresaka»


  • Zoma 16 Mey 2025

Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,

raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Tsy hanaiky io tetikasa io izahay, hoy ny solontenan’ireo mponina ao Ankilimaliniky, Toliara II. Efa mahavelona anay, hoy izy, ny fiharianay aty amin’izao fotoana izao. Na ho tapahan-doha aza tsy hisy hiala eto, hoy ihany ity renim-pianakaviana ity. Tsy tanin’ny filohan’ny repoblika ny taninay, hoy kosa ny raim-pianakaviana iray ao Benetsy Ankilimaliniky ihany. lazaina, hoy izy, fa tsy ampiasa hery ny fitondràna fa hifampiresaka kanefa ny vata-tenany tsy tonga aty fa mpitandro filaminana no tonga avy any. Rehefa tsy ianareo hifampiresaka no tonga aty fa mpitandro filaminana izao foana dia hifankahita tokoa isika, hoy ihany ireo mponina.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT