Tena mijaly rano fisotro madio ny mponina eny Ivato na dia izy aza no vavahadin’Antananarivo mifandray amin’ireo tanana manodidina. Mifoha amin’ny 12 ora alina isan’andro mantsy ny mponina mandeha milaha-drano eny amin’ny paompy.
Manomboka amin’io ora io vao mandeha ny rano raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Penjy Randrianarisoa ary amin’ny 03 ora maraina indray dia tapaka izany. Maro amin’ireo mpatsaka rano tsy manana paompy any an-trano araka izany no mifanena amin’ny mpamosavy eny an-dalana ka manahy mafy ny ainy. Mikasika ny jiro indray dia toerana maro ao amin’ity kaominina ity ihany koa no mbola tsy manana izany. Manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny araka izany ity Ben’ny tanana ity mba hijery akaiky izany. Tena ain’ny mponina mantsy rano sy ny jiro hoy hatrany izy hahafahana miady amin’ny aretina sy ny tsy fandriampahalemana izay tena mahazo vahana tokoa ankehitriny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.