« Tsy rariny ny delestazy ety aminay ka izany no mahatonga anay manao sit-in na fitokonana fanairana ny tompon’andraikitra mba hikaroka ny vahaolana ». Izay raha fintinina ny fanehoan-kevitr’ireo mponina Avaratr’Ankatso
. Raha ny filazan’izy ireo dia 2 ora isan’ando ihany no mba misy jiro eny an-toerana. Sahirana ny ankizy mianatra lesona amin’ny fanomanana ny fanadinana, hoy ireo mponina. Manimba fitaovana ihany koa ny fahatapahana sy ny fiverenan’ny jiro tampoka ka efa maro ny tokantrano simba entana tahaka ny fahitalavitra sy ny vata fampangatsiahana. Lasa tsy milamina ihany koa ny tanàna ary manararaotra manao ny asa ratsiny ny jiolahy rehefa maty ny jiro amin’ny hariva sy ny alina ; efa nitaraina tamin’ny Jirama izahay, hoy hatrany ireto mponina eny Avaratr’Ankatso ireto saingy tsy hita izay tena vahaolana naroso fa toa mody fanina indray aza ny tompon’andraikitra, fa fampanantenana poakaty foana no atao. Ny tena raharaha dia nitombo ny vola aloa rehefa tonga ny faktioran’ny Jirama kanefa ny jiro tapaka lava. Ny ahy izao 14 000 ar tamin’ny iray volana no naloako, ankehitriny lasa 18 000 ar, hoy ny renim-pianakaviana iray. Tsy mitombina ilay fisondrotana aminy satria efa ho iray volana izao ora 2 isan’andro ihany no mandeha ny jiro ka nahoana moa no hitombo ny sarany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.