Mponin'Andavamamba sy Manarintso

Manantena ny kandidan'ny Kôlekitifa hitondra fanovana tokoa


  • Alarobia 22 Mey 2024

Fokontany Antetezana afovoany I, Andavamamba Anjezika, Manarintsoa Isotry no notetezan' ny

kandida Toavina Ralambomahay sy Anja Naivohanitriniaina omaly talata Nilaza mahitsy ny fahasahiranana misy eo aminy amin'ny andavanandro ny mponina. Leo ny fahantrana, leo ny tsy fitsinjovana vahoaka : izay no tena ao am-bavan’ny vahoaka hatrany amin’izao. Faly sy manana fanentanana anefa izy ireo vao nahita ireto kandidan'ny kolekitifa ireto izay olom-baovao, vonona hitondra fomba fanaovana politika ary indrindra hametraka fanovana eto amin’ny firenena. Manantitra hatrany ireto kandida ireto fa zava-dehibe ny fahaizana mifidy amin’ity fifidianana manaraka ity. Hiankinan’ny ho avy ao anatin’ny 5 taona manaraka indray izany ka mila ireo vahoaka tena tonga saina, ahay hifidy ireo izay afaka tena hiady ho an’ny vahoaka. Efa maro anefa ny vahoaka no resy lahatra fa tena mila rivo-baovao, mila olom-baovao afaka tena hitondra ny hetahetam-bahoaka ary tsy hisalasalan’izy ireo ny handrotsam-bato ho an’ny kandidan’ny kolektikita ato amin’ny boriboritany voalohany. Tsy misy afa-tsy ny safidintsika olom-pirenena no afaka mitondra any amin’ny fanovàna. Hipetraka ho vahaolana ny kandida ao amin’ny boriboritany I : Toavina Ralambomahay sy Anja Naivohanitriniaina atolotry ny kolekitifa an’ny Malagasy. Laharana faha-6 eo amin’ny bileta tokana.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT