Leo delestazy tanteraka ny mponin'Alasora Avaradrano.
Tsy misy ora sy fotoana voafaritra mazava intsony mantsy izany fa izay tian'ny Jirama no hataony. Asa fivelomana mila herinaratra maro no mikatso tanteraka vokatr'izany. Tsy voafahana ny finday, tsy mandeha ny vata fahitalavitra, maizin-kitroka ny tanana, mirongatra ny tsy fandriampahalemana...Nivoaka nandoro kodiarana teny amin'ny arabe izy ireo omaly Alakamisy hariva nanomboka tamin'ny 06 ora. Ny mba hanairana ny orinasa Jirama no tanjon'izy ireo indrindra manoloana ny tsy fanajana ny ora tondroin'izy ireo hahatapahan'ny jiro isan'andro. Tsiahivina moa fa efa nisy ny antso avo nataon'ny Ben'ny tananan'ny Kaominina Alasora ny fiandohan'ny herinandro teo mikasika ity fahatapahan-jiro lavareny eny amin'izy ireo ity saingy minia manampin-tsofina ny Jirama.
Pati
Légende : Tahaka izao ny ambiansy teny an-toerana !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.