MPOMBA AN-DRAJOELINA

MBOLA NOMENA TOERANA


  • Alatsinainy 24 Novambra 2025

Manahy mafy ny Pr Joseph

Araka ny fantatra, dia mbola misy ihany ny mpomban ' i Mamy Ravatomanga sy Lalatiana ary ny IRMAR, izay voatendry hisahana andraikitra ao anatin ' izao fanovana rafitra ho amin 'ny fanavaozana ny Repoblika izao. Ny fanotaniana hapetraka amin ' Atoa filoham - panjakana ny Kolonely Michael Randrianirina manoloana ny fanendrena ireo olon - dRajoelina ireo dia ity : moa ve tompoko tsy ho amin 'ny fanovana rafitra ho amin 'ny fanavaozana ny Repoblika no antom - pisianao eo amin ' io toerana io ? Heveriko fa izay tokoa no antony ; kanefa ankehitriny dia lasa fisainana izahay vahoaka Malagasy raha nahita ireo olon - dRajoelina izay tsy zoviana amintsika ary efa fatam - poko fatam - pirenena fa nampitondra faisana ny vahoaka Malagasy sy nanao tantely afa - drakotra ny harem - pirenena teto Madagasikara nandritra izay 16 taona angarangidiny izay. Ahoana re tompoko no mbola notendrena hisahana andraikitra eto Madagasikara ihany izy ireo ? Ampanetren - tena sy am+pitiavana tompoko no hanaovana antso avo Aminao ary tsy misorona aho dieny mbola tsy vohitra firehitra tsy tanety may, dia esory avokoa ireo olon - dRajoelina tsy nahitam - pahombiazana ireo fa hitera - doza ho an 'ny vahoaka sy i Madagasikara manontolo ! Aza adino tompoko fa ny tenin ' i Jesosy dia milaza ao amin 'ny (Hebreo 12 : 15/b) manao hoe : Fandrao, hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana, ka ho voaloto ny maro.
Pati
Légende : Ny Pr Joseph !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT