Mbola resabe ao Toamasina ny nahafaty ilay mpiasan’ny Kaominina, Atoa Davida, maty notifirin’ny jiolahy ny alakamisy antoandro teo.
Samy manana ny andikany iny loza iny ny ao Toamasina. Milaza ny mpiasa fa “tandrevaka” no niteraka iny loza iny. Nahoana, hoy izy ireo, no tsy mba nandray fepetra hitondra mpitandro ny filaminana ireo naka ny vola tany amin’ny Trésor nefa mirongatra ny asan-jiolahy. Ireo mpitandro ny filaminana kosa etsy an-kilany dia nanitrikitrika fa “misy jiolahy tafiditra ao amin’ny Kaominina, ka mpanome vaovao ireo namany aty ivelany matoa fantatry ny jiolahy amin’ny antsipirihany ny fahatongavan’ny vola sy ny fakana izany”. Vokatr’io ahiahy io dia nanaovana fanadihadiana avokoa ireo mpiasan’ny Kaominina eo anivon’ny sampandraharahan’ny fitantanam-bola sy mpizara vola. Nalevina ny sabotsy teo moa ilay nodimandry rehefa nandrasana roa andro tao amin’ny Lapan’ny tanàna.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.