Mpizahatany tonga teto

Madagasikara 71 230 tao anatin'ny


  • Alakamisy 21 Mey 2026

telo volana, mbola mila ezaka be…

Nandritra ny telovolana voalohan'ny 2026, nahazo mpitsidika 71 230 i Madagasikara, araka ny tatitra vonjimaika navoakan’ny Ministeran’ny Fizahantany sy ny Asa tanana. Isa izay manamarika fitomboana na dia amin’ny vanim-potoana ambany indrindra amin’ny fizahantany aza. Araka ny antontan’isa, nitombo 12 % ny fidiran’ny mpizaha tany raha oharina amin’ny telovolana voalohany 2025 izay nahitana 63 567 mpitsidika. Raha mitaha amin’ny taona 2019, nialohan'ny krizy ara-pahasalamana, dia miakatra hatrany amin’ny 25 % satria 56 756 ihany no voarakitra tamin’izany fotoana izany. Ireo tarehimarika ireo dia manaporofo fa mitohy ny fiverenan’ny fizahantany eto Madagasikara, ary efa mihoatra ny haavon’ny talohan’ny valanaretina ny isan’ny mpitsidika, raha ny tatitra. Efa manakaiky ihany koa ny vokatra tamin’ny telovolana farany 2025, izay nahitana 82 769 mpitsidika. Manambara ny tanjony i Madagasikara ho lasa toerana fizahantany manerantany lehibe amin’ny taona 2028. Na izany aza, mbola misy fanamby maro miandry, toy ny fanarenana ny lalam-pirenena, fanamafisana ny fahaizan’ny mpisehatra, ny fandriampahalemana, ny fampivoarana tolotra vaovao ho an’ny fizahantany. Zava-dehibe ny vokatra, saingy tena mbola betsaka ny ezaka mila hatao amin'ny fampiroboroboana ny fizahantany satria tsy arakaraka ny hankaton'ny nosintsika sy ny harena misy eto hatreto ny fahavitrihan'ny mpizahatany. Mila hamafisina ihany koa ny fiarovana ny harena voajanahary mampiavaka an'i Madagasikara, hakarina sy hampitomboina ny fampahafantarana an'i Madagasikara,... Fampitahana azo raisina na mety miverimberina foana aza ny hoe ny Nosy Maurice izay tsy lavitra antsika dia mahatafiditra mpizahatany 3 tapitrisa eo isan-taona raha 10% na mahery kelin'io ny antsika. Raha atao kajikajy tsotsotra hoe mandany 1000 dolara isaky ny mpizahatany iray efa 3 miliara dolara, raha 300 tapitrisa dolara eo izany ny antsika. Raha isika no mahazo 3 miliara dolara isan-taona izany amin'ny fizahantany fotsiny, tsy mila mitavandra sy mandadilady amin'ny famatsiam-bola fitserena toy ny FEC (Facilité Élargie de Crédit) na ny FRD (Fonds pour la Résilience et la Durabilité) 660 tapitrisa dolara anatin'ny 4 taona avy amin'ny FMI ohatra. Azo atao ny manonofy ary tena azo tanterahana izany fa mitaky ezaka, finiavana, politika mazava sy mahomby,...
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT