Noho ny fikatonan` ny sisin-tany dia mbola misy ireo mpizahatany tavela eto Madagasikara.
Namoaka fahazoan-dalana manokana hahafahan` ireo teratany vahiny mifamezivezy eto amin`ny tany sy firenena ny sampandraharaha misahana ny fifindramonina raha toa ka lany visa tao anatin` izao vanim-potoanan` ny fihibohana ny mpiazahatany. Natao izany mba hahafahana manampy azy ireo izay tsy afaka miverina any amin`ny tany misy azy. Namafisin`ny tompon'andraikitra anefa fa tsy maintsy misy ny fisavana sy fampanarahan-dalàna rehefa miverina amin`ny laoniny ny zava-misy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.