Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra isika eto Madagasikara amin’izao vanim-potoana izao. Tsy lavina fa mbola miatrika ireo karazam-panadinam-panjakana ireo mpianatra zokiny rehefa nahavita ny azy kosa ireo kilonga madinika.
Raha ny eny anivon’ireo toby fiantsonan’ny zotra rezionaly sy faritany no resahina dia efa maro ireo fianakaviana no hita mifanaretsaka mba hiala kely ny mahazatra ka hiova rivotra amin’ny toeran-kafa. Ho an’ireo mpizahatany avy any ivelany indray dia efa misy ihany koa no tonga eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Mahasarika vahiny rahateo ireo faritra maro eto amin’ny Nosy ka tsy mahagaga raha tsy tapaka ny fahatongavan’izy ireo mandavan-taona. Ny antontan’isa nivoaka ho an’ny volana janoary hatramin’ny volana mey 2013 anefa dia milaza fa nihena 4% izany mihoatra ny 5 volana voalohany tamin’ny taona 2012, araka ny tatitry ny Forward Keys ary nohamafisin’ny tranokalan’ny Ofisy Malagasy momba ny fizahantany.
Hita ao anatin’ity fanadihadiana ity ary fa dia latsaky ny 10%-n’ny salan’isan’ireo mpizahatany vahiny amin’ny ankapobeny : Afrika Atsimo 5%, Eorope Avaratra, Aziatika Atsimo sy Atsimo Atsinanana, Amerika Avaratra 3%, Italia 2% ary ny Alema 1%. Nahatratra 15% kosa ireo teratany renioney tonga nizahatany teto Madagasikara teo anelanelan’ny voalohan’ny volana janoary sy 31 mey 2013 na dia nihena ihany koa aza satria dia 37% izy ireo tamin’ireo vanim-potoana ireo ny taona 2012. Na dia tsy voafaritra mazava aza ny antony fahavitsian’ny vahiny tonga mitsidika an’i Madagasikara dia azo ambara fa misy ifandraisany kosa amin’ny toe-draharaham-pirenena. Ny fizahantany Malagasy, izay tsy azo lavina, fa anisan’ny mampidi-bola be eto amin’ny Nosy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.