Actualités

Mpivarotra omby avy any Atsimo Mitaraina amin’ny afitsoky ny mpitandro ny filaminana


  • Talata 19 Aogositra 2014

Mpivarotra omby avy any Atsimo Mitaraina amin’ny afitsoky ny mpitandro ny filaminana

avy any Betroka, Betioky Atsimo, Ampanihy Andrefana, Ihosy … hamidy any Fianarantsoa sy aty Antananarivo. Raha teo amin’ny 700 ka hatramin’ny 800 isa ireo omby niainga tany am-potony tamin’ity indray maka ity, hoy izy ireo, tao Ambositra dia efa notanan’ny mpitandro ny filaminana “fourrière” ny 300 mahery noho ny hoe : taratasy tsy ara-dalàna. Nandoavana lamandy 3000 Ar isan’omby isan’andro ireo. Misy omby 475 ihany koa voatana “fourrière” ao Fianarantsoa izay tsy mbola tafavoaka hatramin’izao. Voasakana ary “fourrière” tao Ambohimandroso ihany koa ny 51. Tsy mandà ny asan’ny mpitandro ny filaminana izahay, hoy izy ireo, fa manampy amin’ny fiarovana ny omby entinay izany saingy tsy zaka kosa ny filan-kisa mahazo anay satria tsy afaka nividy omby tany am-potony izahay raha tsy mazava ny taratasy rehetra nefa aty an-dalana vao hoe : “tsy mazava”. Tsy mitondra omby halatra ihany koa izahay satria sahy manaraka lalam-pirenena fa tsy misitrika anaty ala na manaraka lalankely. Miantso ny fitondrana izy ireo hijery ny mahazo azy fa ho faty avokoa ireo omby tanan’ny mpitandro ny filaminana ireo nefa mbola notrosaina ny ankamaroany.

Ny mpitandro ny filaminana tetsy an-kilany raha nanontanian’ny mpanao gazety omaly ihany dia nanambara fa taratasy tokony hoentina any amin’ny faritra hafa no hitondran’ireo mpivarotra amin’ny Faritra alehany no nahatonga ny fanasaziana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT