MPIVAROTRA "KIT COMPLET STARLINK"

Voasambotra ireo telolahy mpampiesona mpanjifa


  • Alakamisy 20 Febroary 2025

Mpivarotra "Kit complet starlink" efa miaraka amin'ny bonus 2 volana maimaim-poana anaty

tambazotran-tserasera ahitana lehilahy miisa 3 no sarona tany Andranomadio Antsirabe rehefa nampiesona mpanjifa. Ny kaonty " Ty Andry" no hampiasain’izy ireo raha araka ny fantatra ka takiany aloha eo noho eo avokoa ny vola rehetra saran’izany. Roboka ny mpividy iray ka nandefa lela-vola mitentina 1.808.000 Ar tamin’ny laharana 039.12.693.38 sy 038.35.204.43.Hosoka avokoa anefa ireo rehetra ireo. Kaonty fesiboky fake ihany koa no nampiasainy. Rehefa azon’izy ireo ny vola dia noblokeny ilay mpividy (Facebook), novonoiny ny finday….Taorian’ny fitoriana nataon’ny voasoloky anefa dia tratra izy telolahy ka ilay 32 taona monina ao Miaramasoandro. Ao Tomboarivo kosa ilay 24 taona raha ao Madera Namontana ilay 24 taona iray farany. Tsiahivina moa fa anisan’ny fomba fiadin’ireo mpanao vente en ligne tsy izy amin’izao ny mivarotra mora, manome tolotra mampilendalenda, manatitra maimaim-poana ny entana ary manome bonus be. Tokony ho mailo isika mpanjifa manoloana izany.
Pati
Legende : Ireto ry zalahy mpiketrika !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT