Tsy manana toerana fanariana rano maloto sy poti-kanina ny ankamaroan’ireo mpivarotra hani-masaka amoron-dalana eto an-drenivohitra.
Iray amin’ireo 20 monja nanaovana fanadihadiana no mba misahirana manenjika ireny dalle hivarinan’ny maro ireny raha manatoby anaty “sceau” dia manary izany eny amin’ny arabe ny ankamaroany amin’ny alina na koa manarinary fahatany izany eny rehetra eny toy ny fanaovana maloto ihany. Ny poti-kanina aterak’ireny hani-masaka miparitaka etsy sy eroa ireny anefa no tena mampitombo isa ny voavalo eto an-drenivohitra ka mampahazo vahana ny aretina pesta, izay tena atahoran’ny maro tokoa amin’izao. Mahafantatra ny aretina tsara anefa ny ankamaroan’izy ireny rehefa nohadihadiana ary mahalala sy tonga saina tsara ihany koa fa aretim-boalavo efa namono olona marobe teto amintsika izy io. Na izany aza dia namaly izy ireo fa ilay fiainana eto amintsika mihitsy no tsy hahafahan’ny Malagasy miaina intsony. Tsy maintsy mitady vola ny isan-tokantrano, hoy izy ireo, mba hihinanana sy tsy handehanana eny ambany tonelina. Soso-kevitra aroson’izy ireo ny tokony hamondronana ny mpivarotra hani-masaka rehetra amina toerana iray hahafahan’ny rehetra mifampifehy. Takian’izy ireo ihany koa ny hisian’ny fotodrafitrasa mifanaraka amin’ny asa sahaniny tsy hanariany rano maloto etsy sy eroa intsony.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.