Tena maina ny tsenan'ireo mpivarotra
kiraro sy fitafiana raha araka ny fanadihadiana natao. Zara raha mahalafo iray isan'andro izy ireo ho an'ny pataloha raha tsy misy mpanontany mihitsy ny kiraro. Hatramin'ny volana Janoary no mankaty no niainan'ny mpivarotra etsy Analakely izany saingy tamin'ity volana Febroary ity no tena mafy indrindra hoy izy ireo. Tena mitsitsy ny olona ary tsy mividy fitafiana sy kiraro mihitsy fa ny sakafo aloha no tena laharam-pahamehana. Mitanin'andro mandany lera fotsiny ny ankamaroan'ireo mpivarotra noho izany izay tsy ny etsy Analakely irery ihany. Amin'ny volana Martsa any ho any indray moa vao mety hisokatra ny tsena hoy izy ireo, mialohan'ny hankalazana ny Fetin'ny Paska. Mikasika ny tsena etsy amin'ny Pavillon Analakely manokana dia fantatra fa misy amîn'izy ireo no tsy mahalafo mihitsy ao anatin'ny iray volana. Ny hofan'ny tsena anefa tsy maintsy hefaina, antony tena mampitaraina fatratra azy. Ireo mpivarotra combinaison, kojakoja maro samihafa no tena voakasik'izany. Tokony hampiditra 30.000 Ar isan'andro anefa izy ireny raha kely.
Pati
Légende : Maina ny tsenan' ny fitafiana sy ny kiraro amin'izao volana Febroary izao !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.