Actualités

Mpivarotra éponge etsy Behoririka Nalana tamin’ny toerany ihany koa


  • Alarobia 10 Septambra 2014

Nifanjevo tetsy Behoririka indray koa omaly ny kaominina sy ireo mpivarotra kidoro éponge, miankina amin’ny tambohon’ny EPP

Noho ny fitarainana voarain’izy ireo avy amin’ny tompon’andraikitry ny sekoly  no anton’izany raha  ny nambaran’ny  ny tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny  kaominina. Efa ela mantsy ireto mpivarotra kidoro ireto no notenenina fa mampiditra rano ao amin’ny faritry ny sekoly ilay labasy sarona éponge rehefa avy ny orana. Tsy  nihaino ireo mpivarotra ireo na dia efa nisy aza ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta ka nakarin’ny sekoly teny amin’ny kaominina ny raharaha. Nisy ny fepetra tsy maintsy noraisin’ny kaominina dia ny famerana ny toerana hahafahan’ireto mpivarotra kidoro éponge ireto mivarotra. Ankoatra izay dia  nomena hevitra ihany koa izy ireo ny amin’ny hametrahana santionana kidoro hamidy eny an-toerana fa tsy izy rehetra no haranty hanomezana endrika ny tanàna. Nanaiky io toromarika nomen’ny kaominina io moa ireo mpivarotra na dia sorena ihany aza teny am-piandohana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT