Trangan-javatra mba nahavelom-bolo ireo mpitondra fiara nanomboka afak’omaly talata 15 jolay ny nisavasavan’ny fitohanan’ny fifamoivoizana tetsy Anosy mihazo an’Andrefan’Ambohijanahary Toby Ratsimandrava iny sy teny Soarano Bulding Ramaroson. Tsotra ny antony, araka ny hita teny amin’ireo toerana ireo, dia ny fanakisahan’ny
fivondronana an’ireo mpivarotra marobe tao anaty arabe haka sisiny amin’ny “trottoir” ka mba nampalalaka ny lalana nizoran’ny fiara rehetra nandalo tamin’ny ara-dalàna. Nony takariva indray anefa dia niverina an-dalambe indray ireo mpivarotra ka nanomboka nitohana indray ny fifamoivoizana, raha vao misy herika madinika nirotsaka dia tsy tazana intsony ny polisy mpandamina ny fifamoivoizana. Raha ny resadresaky ny olona tany anaty zotram-pitaterana nisy ny mpanao gazety tany dia tokony hotohizana any amin’ny faritra rehetra eto an-drenivohitra ity fanesorana mpivarotra ao anaty lalana tokony handehanan’ny fiara ity na aiza io toerana io na aiza. Mila haverina an-dakilasy kely manao “recyclage” koa ny ankamaroan’ireo polisy mpandrindra ny fifamoivoizana eto Iarivo, indrindra ny etsy Andohan’Analakely hiditra ny tonelina Ralaimongo iny fa misy efa ilaozan’ny toetrandro mihitsy ny fomba fiasany. Tokony harahin’ny lehibeny maso eny an-toerana mihitsy koa ny fiasan’ireto polisy eto amintsika ireto fa tsy milamina mihitsy, hoy ny fanamarihana heno tao anaty zotram-pitaterana ihany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.