Telo andro manomboka anio talata 24 jona sisa no fotoana hahafahan’ireo mpivarotra amoron-dalana rehetra eto an-drenivohitra mijanona amin’ny toerany, raha ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Manomboka ny zoma 27 jona ho avy izao mantsy izy ireo dia hanala tsy an-kiato ireo mpivarotra amin’izay ary tsy hijanona raha tsy mahatratra ny tanjona fohy ezaka hokendreny. Araka ny fanazavan’ny Kaominina ihany, dia ny mba hahafahana mampiditra ireo mpivarotra amoron-dalana rehetra amin’ny sehatra ara-dalàna no antony. Betsaka mantsy ireo mijanona anaty trano izay marihina fa mandoa hetra no miaina anaty fatiantoka lalandava noho ny tsy fisian’ny mpividy manjifa ny entan’izy ireo. Mifanohitra amin’izay kosa anefa ireo mpivarotra amoron-dalana izay sady tsy mandoa hofantrano, tsy mandoa volam-panjakana nefa mahalafo. Voakasik’izany ihany koa ireo taksibe rehetra manana toby fiantsonana manodidina an’Analakely toy ny zotra laharana 133 mihazo an’Itaosy, ireo zotra mankany Faravohitra mipaka any Ambohipotsy, ny 137 Andoharanofotsy, ny 129 miakatra an’Ambohipo… Ho hita eo indray ny zavatra mety hitranga eny Analakely sy ny manodidina aorian’ny fetin’ny 26 jona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.