Actualités

Mpivarotra amoron-dalana Nanaovan’ny Kaominina bemidina teny Anosy


  • Alakamisy 09 Jolay 2015

Nisehoana savorovoro omaly teny Anosy misy an’ireo mpivarotra amoron-dalana noho ny fandraofan’ny fiaraben’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny entana namidin’izy ireo

 

. Nisafotofoto be ihany ny fanehoan-kevitra heno teny an-toerana. Nisy ny filazana fa misy ny fijerena tavan’olona amin’ny fandraofan’entana. Ny zavatra tsapa sy hita aloha tao ho ao dia nihamaivana ny fitohanan’ny fifamoivoizana niseho hatrizay tetsy amin’ny lalana ampitan’ny Antenimierandoholona sy Firaisana faha-IV Anosy iny rehefa nikisaka amin’ny sisin-dalana ireo mpivarotra tao anaty arabe tamin’iny faritra iny. Efa nandeha moa ny resaka tao ho ao fa tsy hisy ho sahy hikitikika intsony ireo mpivarotra amoron-dalana ireo amin’izao ankatoky ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra izao nefa dia izao iaraha-mahita izao indray ny zava-misy

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT