Taorian’ny fanambarana nataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny amin’ny tsy maintsy hamindrana toerana ireo mpivarotra amoron-dalana rehetra dia notanterahina nanomboka omaly Alatsinainy 30 jona ny famindrana azy ireo teny amin’ny arabe manoloana ny Magro Behoririka......
Vao maraina dia efa tazana namariparitra ny toerany ny tsirairay, notronin’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny kaominina. Ny fanazavana nomen-dRasamimanana Valisoa Robin, lehiben’ny tsena ao Analakely dia mpivarotra manodidina ny 300 eo ho eo ireto nomena toerana ao amin’ny araben’ny Magro Behoririka ireto. Ireo mpivarotra amoron-dalana manoloana ny pavillon, Rabearivelo, kaominina, Soarano ary Behoririka ireo voakasika ireo, hahafahan’ny fiara mizotra araka ny tokony ho izy hisorohana ny fitohanana. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra miadidy ny tsena eto Antananarivo Renivohitra Atoa Rakotoson Lanto dia toerana natokana ho an’ny mpivarotra miisa 353 no mbola voaomana, ary ireo mpivarotra nanao fangatahan-toerana sy voasoratra ara-dalàna tao anaty lisitra ihany aloha no afaka mivarotra eo. Ireo tsy nahazo toerana kosa dia miandry amin’ny manaraka ka ny filankevi-pitantanana eo anivon’ny tanànan’Antananarivo no manapaka izay ho tohiny. Ny antony tena hamindrana ireo mpivarotra ireo raha ny nambarany ihany dia mba hamahana ny olana mahakasika ny fitohanan’ny fiara amin’iny lalan’Analakely sy ny manodidina iny. Raha nanontaniana kosa ireo mpivarotra dia nilaza fa tsy maintsy manaiky satria mba te hiditra ao anatin’ny sehatra ara-dalàna sy ny mba tsy hanaovana fangala-piery amin-dry mangabe intsony. Na eo aza anefa izany rehetra izany dia mbola maro ireo mpivarotra tsy nahazo toerana ka mimenomenona, mbola tantara mitohy izany ny an’ny kaominina sy ny mpivarotra amoron-dalana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.