Actualités

Mpivarotena amin’ny internet Mahazo 1 tapitrisa Ar isam-bolana


  • Alakamisy 23 Febroary 2023

Miha mahazo vahana hatrany ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ireo mijorojoro mivantana eny amin’ny

sisin’arabe dia zary lasa fitadiavam-bolan’ireo malain-kisasatra ihany koa amin’izao ny fivarotan-tena amin’ny alalan’ny internet. Tsy hanavahana sokajin-taona intsony ity farany fa manao hatramin’ireo zaza tsy ampy taona ka mody mandeha mianatra ny sasany amin’ny maraina ary manao izany amin’ny folakandro. Raha tsiahivina kely dia manao fihetsika mamoafady eo anoloan’ny solosaina izy ireo mba hanaitairana ireo tera-tany vahiny any ivelany mila izany. Mahatratra hatrany amin’ny 1 tapitrisa Ar isam-bolana raha kely ny karama raisin’izy ireny antony mampalaina ireo tanora sasany hitady vola amin’ny fomba hafa. Ambony mantsy izany karama izany raha oharina amina asana tovovavy eny amin’ny orinasa afaka haba ohatra, na mpiasa tsotra miasa am-birao. Vehivavy miisa 8 omaly no saron’ny zandary avy ao amin'ny sampana heloka bevava Mahajanga nanao izany tany an-toerana. Noraofina avy hatrany ireo karazan’entana nampiasain’izy ireo raha mitohy kosa ny fanadihadiana mikasika ireo mpampiasa azy mivantana.
Pati
Legende : Ireto izy valo mirahavavy voasambotra

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT