Actualités

MPIVARO-TENA MANAM-BADY Hafakely ny tontolo andron’i Lila


  • Alarobia 25 Septambra 2024

Anisan’ny asa tranainy indrindra ny asa fivarotan-tena manerantany.

Mbola tsy mety foana izy io mandraka ankehitriny ary vehivavy maro no mivelona aminy. Misy ireo mbola mpitovo, misy koa anefa ireo efa Renim-pianakaviana sady efa manam-bady. Anisan’ireny i Lila, izay nanaiky nizara ny tantaram-piainany tamin’ny gazety Tia Tanindrazana.
FIFANARAHANA
Tsy mpivaro-tena i Lila teny am-piandohana. Noho ilay vadiny tsy an’asa anefa dia nanapa-kevitra izy ireo fa tsy maintsy alefa hanao io asa io ny anaovavy. Vavikely iray ny zanak’izy ireo. Isan-kariva amin’ny 07 ora i Lila no miala ao an-tokantranony ka ny vadiny mihitsy no manatitra azy eny amin’ny tobim-piantsonan’ny taxibe. Mifampiantso izy ireo rehefa mahazo client i Lila ary manondro ny toerana hakana azy avy eo. Ireo lehilahy mahasahy mividy azy 50.000 Ar no miakatra no tena mety amin’i Lila sy ny vadiny raha ny fanazavany noho ny tahotr’izy ireo ny aretina amin’ny fiarahana amin’olona marobe.
MATORY
Isaky ny amin’ny 04 ora maraina eo ho eo i Lila no mody ary tsenain’ny vadiny. Amin’ny 06 ora maraina raha tara indrindra izany ka mandro amin’ny rano mafana, mihinana sakafo maraina fikarakarana efa hataom-badiny izy vao matory. Efa omeny am-badiny avokoa izay vola azony mandritra izany ka anjaran’ity farany no mandeha manatitra mpianatra, miantsena mividy laoka ary mikarakara indray manenjika ny amin’ny 12 atoandro, ora fihinanana.
MIOMANA
Amin’ny 03 ora hariva eo i Lila no miarina eo am-pandriana indray aorian’ny sakafo atoandro. Miomana kely miaraka mivoaka amin’ny vadiny mitsena an-janany any am-pianarana izy aorian’izany ary miara-mihinana lasopy na compose kely izy 3 mianaka. Miomana indray i Lila raha vantany vao mipaika ny amin’ny 06 ora hariva hamonjy ny asany.Raha ny fanazavany dia ny vadiny ihany no manamboatra ny volony sy ny tarehiny ary misafidy ny akanjo hanaovany. Dia tahaka izany hatrany ny isan’andron’i Lila hatramin’ny andron’ny Sabotsy faran’ny herinandro.
Pati
Legende : Misy manana fomba fiaina miavaka ny mpivaro-tena toa an’i Lila

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT