MPIVARO-TENA ETSY ANKADIMBAHOAKA

Misy mahavita mampiady mpifankatia mandalo mihitsy ny sasany ?


  • Alakamisy 17 Oktobra 2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

izay miroborobo fatratra dia tena tsy manaiky mihitsy koa ireo mijorojoro eny amin’ny sisin-dalana toy ny eny Tsaralalana sy Ankadimbahoaka. Ho an’ireo mivelona amin’ity asa ity etsy Ankadimbahoaka dia fantatra fa tena maina ny tsenan’izy ireo tato ho ato. Misy tsy mitondra vola mody mihitsy indraindray, raha araka ny fanadihadiana natao antony manosika ny sasany hivoaka eny amin’ny arabe. Tsy miandry izay haka azy fotsiny anefa izy ireo mandritra izany fa mila vanony amin’ ireo mpivady na mpifankatia mandalo mihitsy. Raha araka ny fanazavan’ny tovovavy iray niaraka tamin’ny olon-tiany nandalo harivariva teny amin’iny faritra iny dia nosintonin’ilay vehivavy mpivaro-tena iray mihitsy ny tanan’ilay olon-tiany no sady nodokadokafany hoe : mahafatifaty ialahy…. Mbola nitohy tamin’ny fihetsika mamoafady nataon’ity mpivaro-tena ity izany hoy izy koa raha tsy teo aho dia mety voasarika ihany ilay olon-tiako. Nosintonin’ilay tovovavy fotsiny moa ilay olon-tiany nanoloana izany ka lasa niala haingana teo amin’ilay toerana izy ireo.
Pati
Legende : Efa mila vanony amin’ny mpandalo ihany koa ireo mpivaro-tena amin’izao!

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT