MPIVARO-TENA AMIN’NY FACEBOOK

Misy olona ambony betsaka manjifa


  • Alarobia 12 Jona 2024

Mitombo isa hatrany ireo tovovavy kely mivaro-tena amin’ny tambajotran-tserasera Facebook amin’izao eto amintsika.

Anisan’ny tena tsiambarantelon’izy ireny raha araka ny fanadihadiana natao ny fisian’ireo olona ambony betsaka manjifa azy ireny. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina tovovavy iray manao ity asa ity dia tsy ilay olona ambony no tonga miresaka amin’izy ireo mivantana fa maniraka olona izy. Raha 20.000 Ar isan’ora no karama tadiavin’izy ireny dia misy mahavita mividy 60.000 Ar isan’ora mihitsy ny sasany saingy anisan’ny fepetra takian’ireo olona ambony kosa ny vehivavy mbola tsy niteraka sy tsaratsara vatana eo anelanelan’ny 20 ka hatramin’ny 25 taona eo ho eo. Misy amin’ireo tovovavy kely mpivaro-tena noho izany no mahazo an’hetsiny indray andro antony tena mahatamana azy ireny. Tsiahivina moa fa mbola mpianatra ny ankamaroan’izy ireny. Manofa trano isam-bolana izy ireo ka miisa 5 raha kely no miray trano ary mifandimby rehefa tonga ny mpanjifan’ny tsirairay. Afaka mivoaka ihany koa izy ireo miankina amin’ilay mpanjifany indrindra moa fa ireo olona ambony.
Pati
Legende : Tovovavy kely mpianatra ny ankamaroan’ireo mivaro-tena amin’ny tambajotran-tserasera Facebook amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT