MPIVADY AVY NISORATRA

Maty nisy nitifitra ilay Rangahy


  • Alarobia 27 Novambra 2024

Zava-doza no nitranga tany amin’ny distrikan’Ihosy ny Sabotsy 23 Novambra lasa teo.

Lehilahy iray teo am-pamihinana ny vady andefimandriny nandihy taorian’ny fisoratam-panambadian’izy ireo ny maraina no nisy nitifitra tampoka teo amin’ny valahany tamin’ny ilany ankavia. Nivoaka teo amin’ny valahany ilay ankavanana ny bala vokatr’izany, antony niteraka ny fahafatesany. Raha araka ny fantatra dia mpampianatra FRAM ao amin’ny EPP Folahatsandry Satrokala, distrikan’Ihosy ity lehilahy namoy ny ainy ity. Tamin’ny hariva nandritra ny fitohizan’ny lanonana tao Tanandava niarahan’izy mivady tamin’ireo havana aman-tsakaizany no nitrangan’ilay fitifirana, izay voalaza ho avy any ivelany. Mbola tsy fantatra moa hatreto ilay nahavanon-doza raha efa manana ahiahiana kosa ireo fianakaviana akaiky raha ny loharanom-baovao azo.
Pati
Legende : Toy ny namita sonia teny amin’ny Firaisana fotsiny ilay lehilahy dia nandao an-dRamatoa vadiny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT