Mpitsabo nentim-paharazana tao Manjakandriana

Nanolana zaza tsy ampy taona, nidoboka eny Antanimora


  • Talata 20 Febroary 2024

Lehilahy iray, 48 taona no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin'ny kaomisaria

CSPD Manjakandriana ny Alatsinainy 12 febroary rehefa nanodinkodina sy nanolana zaza tsy ampy taona. Ny Lehiben'ny distrikan'i Manjakandriana no nampandre ny Polisy rehefa avy naharay tatitra avy amin'ny Lehiben'ny fari-piadidiam-pampianarana ao an-toerana fa misy tovovavy kely iray ahiana ho niharana herisetra ara-nofo tao amin’ny faritra misy azy. Araka ny tatitra azo dia nahatsapa fiovana fihetsika teo amin'ilay zaza ny mpampianatra azy, ary porofon'izany ny fitotongan'ny naotiny. Tsikaritry ny mpanabe ihany koa fa naneho fihetsika mampiahiahy ity zaza ity nandritra ny fanentanana mikasika ny herisetra mifototra amin'ny miralenta sy ny fiarovana ny trangana vohoka mahazo ny zaza tsy ampy taona. Nanoloana izany dia noraisina an-tànana avy hatrany ilay zazavavy kely. Tamin'ny fitsirihana nataon'ny mpitsabo tao an-toerana no nahafantarana fa efa niharan’ny herisetra ara-nofo ilay zaza. Natao ny famotorana ka fantatra fa lehilahy iray, mpitsabo nentim-paharazana monina ao Manankasikely anatin’ny kaominina Ambonivohitr’i Manjakandriana no nanolana ilay zaza. Nosamborina avy hatrany ity farany. Taorian'ny fanadihadiana azy dia natolotra ny fitsarana ny raharaha ka naiditra am-ponja vonjimaika ny Alakamisy 15 Febroary lasa teo ny anaolahy.
Pati
Legende : Olona tokony ho maodely ny mpitsabo tahaka izao saingy ….!
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT