Nitangoronan’ny olona tao Antsirabe ary notondroin’izy ireo ho mpisoloky ny mpitsabo malaza iray eto an-drenivohitra raha tonga hanao ny asany tao Antsirabe. Nanao dokambarotra sy nandray olona tao amin’ny hotely iray izy ary nandray olona nanomboka ny alarobia lasa teo.
Olona am-polony maro manana olana na azon’ny aretina sarotra sitranina ny ankamaroan’ireo voasarika ireo. Ankoatra ny saram-pizahana 50 000 na 70 000 Ariary izay tsy maintsy efaina dia ambaran’ny olona tao fa midangana tsy latsaky ny 640 000 Ariary avokoa ny saram-pitsaboana takian’ity lehilahy ity amin’ireo tonga ao aminy. Nambaran’ireo nijoro vavolombelona fa «tsy asiany maso akory na tsapainy ny trangan’aretina, nefa tsy omeny na dia fanafody kely akory aza», hoy ny renim-pianakaviana iray nitsabo ny vadiny no mbola asainy mandoa io vola be io ny olona tsaboiny. Nambaran’ireo olona ihany koa fa efa nisy no nandoa vola saingy tsy nisy fivoarany ny fahasalamany ka nahatonga ny savorovoro tao Antsirabe. Niha mafy hatrany moa ny fitakiana ka tonga ny tompon’andraikitra voalohan’ny fahasalamam-bahoaka ao Antsirabe, izay nanamarika fa «tsy ara-dalàna io fitsaboana ataon’ ity lehilahy ity io» ka dia niafara tamin’ny fampiatoana ny fandraisany olona izany. Tonga naka ity lehilahy ity tao amin’ilay hotely nivantanany sy nandraisany olona ihany koa ny zandary ka nanatitra azy tany amin’ny polisy izay efa nametrahan’ny olona sasany nandalo tao fitoriana ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.