Hanao fanavaozana makadiry eo anivon’ny orinasa tantanany Rafanomezantsoa Jean Nirina manomboka izao.
Taorian’ny nanapahany hevitra mikasika ny hialany tsy ho filohan’ny fikambanana FITRAMA manerana ny Nosy intsony mantsy dia nanangana ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA ny tenany ka tale jeneraliny no andraikiny ao anatin’izany. Maro ny asa miandry azy araka ireto fanambarana nataony omaly ireto.
HAMPIDINA NY VIDIM-PANAFODY
Anisan’ny niteraka disadisa anatiny ho an’ny mpikambana tao anatin’ny FITRAMA teo aloha raha araka ny fanazavany ny halafosan’ny vidim-panafody. Fanamby iray goavana hatrehiny araka izany manomboka izao ny hampidina ny vidim-panafody ao aminy mba ho zakan’ny fahefa-mividin’ny rehetra. Efa hita avokoa izao ny mpamatsy fanafody tsy misy mpanelanelana hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina vokatry ny vavaka natao ary mandresy ny Malagasy. Tsy ho diso anjara amin’izany ny mpiasa. Hampidirina ho mpikambana ao amin’ny CNaPS sy Ostie daholo ihany koa mantsy ireto farany amin’ny alalan’ny fijerena ny maha-olona. Hojerena araka ny tokony ho izy hoy hatrany Rafanomezantsoa Jean Nirina ny fampitaovana rehetra arahin’ny fikarakarana ny taratasy ara-panjakana mba hizotra araka ny tokony ho izy izany.
NANETRY TENA
Raha araka ny fanazavan-dRafanomezantsoa Jean Nirian omaly dia fanetren-tena no antony nialany tsy ho filohan’ny fikambanana FITRAMA intsony. Tsy liana esabe izany hoy izy satria rehefa misy ny disadisa sy ny fitiavana tombontsoa manokana dia aleo miala. Tanindrazana iaraha-manana i Madagasikara hoy izy koa mamporisika ireo namana izay naira-nanorina taminy ny Fikambanana FITRAMA ny tenany mba handeha lavitra kokoa. Nomarihiny anefa fa samihafa ary tsy mitovy mihitsy ny Fikambanana FITRAMA sy ny Mpitsabo Malagasy FITRAMA izay orinasa ka izy no tale jeneraly ao anatin’izany. Ny reny vola madiodio izay ahy manokana hoy izy no nampiasaina tao anatiny ary hananany zony feno. Tsy misy afaka ny hanala ny tombontsoako sy ireo fananana rehetra ao anatin’ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA hoy izy na iza na iza.
TSY MPIASA AO INTSONY
Ho an-dRakotondranaivo Jean Pierre manokana dia notsipihiny fa tsy anisan’ny mpiasa ao amin’ny Mpitsabo Malagasy FITRAMA intsony ity farany. Nampianatra no andraikiny tao anatin’izany hoy izy ary na teo izy na tsy teo tamin’ny fitantanana ny orinasa dia teo foana ny mpiasa maro toy ny mpamatsy fanafody…Handalovana fandrobana maro ankehitriny ny fananan’ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA hoy ihany izy koa notsiahiviny manokana fa tsy misy manan-jo hanao izany fihetsika izany na dia iray aza. Mikasika ilay milina fanodinana fanafody mitentim-bidy 4 miliara ao Farafangana izay nolazain-dRakotondranaivo Jean Pierre fa azy dia nomarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina fa io no nentin’itsy voalohany nihindramam-bola taminy. Rehefa tena nijery tany ifotony izahay hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina dia hita tokoa io milina io kinanjo tsy tena azy fa an’olon-kafa izay nezahiny nampanginina. Nandritra ny fandalovana tany an-toerana tamin’ny 10 Aogositra lasa teo anefa dia nijery akaiky io milina io sy ny resaka vidim-panafody Rafanomezantsoa Jean Nirina ka tamin’izay vao vaky fa tsy an-dRakotondranaivo Jean Pierre ilay milina goavam-be fanodinana fanafody hoy hatrany ny fampahafantarana nataony, omaly. Izany no nampidangana ny vidim-panafody tao amin’ny FITRAMA hoy izy izay efa tafakatra ana hetsiny mihitsy. Nifampiraharaha tamin’ny mpamatsy fanafody araka izany ity tale jeneralin’ny Mpitsabo Malagasy FITRAMA ity ka fantatra taorian’izany fa tsy hisy intsony ny vidim-panafody lafo dia lafo ao amin’izy ireo manomboka izao.
MITOHY NY ASA
Mitohy ny asa ho an’ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA. Hanananay taratasy mazava izany hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina ary mivoha isan’andro izahay miaraka amina mpiasa marobe. Nomarihiny manokana moa fa na eo aza izany rehetra izany dia tsy ho avy ao anaty fifandirana ny Mpitsabo Malagasy FITRAMA. Ny tombontsoan’ny firenena no hojerena hoy izy noho ny ezaky ny Filoha Andrinirina Rajoelina tamin’ny fanandratana ny Vita Malagasy. Ny lalana no mety tsy hiaraka hoy izy ary tsy manana lolom-po izahay satria ny fitsaboana ny Malagasy rehetra no tanjona. Notsiahiviny manokana moa fa anisan’ny niteraka iny fiantsoana mpanao gazety nandeha ila teny Namontana iny ny resaka karaman’ny mpiasa. Nampanantenain-dRakotondranaivo Jean Pierre ho hampiakarina avo roa heny avokoa mantsy ny karaman’ny mpiasa ka lasa nanaraka azy ny sasany hoy ny fanazavany. Mikasika ny fananan’ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA moa dia nomarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina fa tsy hanaiky mora foana ny fikitikitihana azy ireny ny tenany. Tany tan-dalana isika hoy izy ary nisy loharanom-bola no nampiasaina tao anatin’izany fa tsy nisy mana nilatsaka avy any an-danitra. Namaranany ny teniny araka izany ny tsy tokony hikitihana ny fananan’ny orinasa Mpitsabo Malagasy sao hanahirana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.