Mpitondra miatrika ny Fivoriamben’ny ONU

Midoka tena sady mitangirika trosa sy famatsiam-bola …


  • Alatsinainy 30 Septambra 2024

Ny Praiminisitra Ntsay Christian no misolo tena an’i Madagasikara amin’ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana

ONU) andiany faha-79, tanterahina any New York, Etazonia. Anisan’ny nambarany ny fampahatsiahivana ny efa nambaran’i Andry Rajoelina tamin’ny COP 26 ny taona 2022 ny Praiminisitra, mikasika ny lanjan’ny “Accord de Paris” hamatsiam-bola ny politikan’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny hamatsiana vola mitentina 100 miliara USD ny ezaka atao ho an’ny kaontinanta Afrika manontolo. Hamehana ihany koa, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny fanohanana ny sehatra maro samihafa aty Afrika toy ny fanabeazana, ny fiahiana ara-tsôsialy, ny fananganana fotodrafitrasa, ny famoronana asa, mba ho tena fampandrosoana maharitra sy handresy tanteraka ny fahantrana. Toy ny fomba fiasan’ny mpitondra izay midoka tena rehefa any ivelany dia nolazaina, fa maodely azo tsapain-tanana ny ezaka nataon’i Madagasikara sy ny mponina ao aminy eo amin’ny sehatra ara-toekarena, ka nanambarana fa Madagasikara, ankehitriny, no Firenena faha-3 aty Afrika mamokatra vary betsaka indrindra sy firenena voalohany amin'ny fivoarana momba io seha-pamokarana io i Madagasikara". Tahaka izany ihany koa ny fitanisana ny fanamboarana ny lalana "Route du Soleil" nambara fa hanova ny toekaren'ireo Faritra rehetra any amin'ny ilany atsinanan'ny Nosy, manomboka any Diana hatrany Anosy rehetra iny. Tahaka izany ihany koa no nilaza afa hamokatra herinaratra 500MW ao anatin’ny 5 taona i Madagasikara. Toy ny hoe : efa tena miasa ben y Fitondrana kanefa eto krizy andro aman’alina ny resaka angovo, poakaty ny 400MW nampanantenaina 5 taona lasa dia io indray fa mampanatena 500MW anatin’ny 5 taona ho avy. Ankoatra io, ny herinandro teo nandritra ny fivorian'ny minisitry ny Raharaham-bahiny amin'ny firenena mahantra indrindra sy tsy mandroso indrindra na ny PMA (Pays Moins Avancés), dia nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin'ny rafitra ara-bola iraisam-pirenena, ny Firenena Mikambana, ny sehatra tsy miankina, ary ny fiarahamonina sivily ny Lehiben'ny Diploaomasia malagasy Rtoa Rasata Rafaravavitafika, mba hanampiana kokoa ny PMA. Nohazavainy ihany koa ny filàna fanavaozana lehibe, toy ny fanavaozana ny trosa sy ny fidirana mora kokoa amin'ny famatsiam-bola iraisam-pirenena ho an'ny PMA. Ny Praiminisitra nampahatsiahy ny famatsiam-bola ara-tontolo iainana, ny Minisitry ny raharaham-bahiny miantso fanamorana fampitrosana ho an’ny PMA, izay mbola manamafy fa poakaty sy vava tsy ambina ny nilazan’i Andry Rajoelina ny taona 2018 fa tsy handroso mihitsy isika na amin’ny 2060 aza, raha mbola hiankina amin’ireo mpamatsy vola mahazatra.
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT