Actualités

Mpitondra mankany ivelany Zon’ny vahoaka ny mahalala ny teti-bola laniana


  • Talata 05 Aogositra 2014

Antoky ny fampandrosoana ny firenena ny mampiroborobo ny fifandraisana amin’ireo firenen-kafa. Manana adidy sy andraikitra noho izany ny mpitondra fanjakana isanisany manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Fomba amam-panaon’ireo governemanta manerantany ihany koa anefa ny manao kajy tsotsotra manoloana ireny fivoahana mankany ivelany ireny

Tanjona iombonan’ireo tena olom-panjakana rahateo amin’ny dia tsy maintsy ataon’izy ireo any ivelan’ny firenena niaviany ny mikatsaka ny tombontsoan’ny besinimaro. Raha tsorina, matoa mivoaka ny fireneny ireny tompon’andraiki-panjakana isan-tokony ireny ka miatrika karazana fihaonana iraisam-pirenena dia efa mahafantatra mialoha ny ho vokatra tsara ho fampandrosoana ny vahoaka eo ambany fitantanany. Ny antony dia satria volam-bahoaka no lalaovina sy kirakiraina amin’ny fandaniana rehetra tsy maintsy ampiasaina mandritra ny fe-potoana hivahinianana ofisialy any ivelany. Samy manana ny fomba fiatrehany ireny dia ofisialy mankany ivelany ireny moa ny isam-pirenena. Zon’ny mpiray tanindrazana kosa anefa ny mahalala ny tetibola natokan’ny mpitondra fanjakana amin’ireny dia mankany ivelany ireny tahaka ity fiatrehan’ny delegasiona Malagasy ny fihaonana an-tampony Etazonia sy Afrika any Washington ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT