Actualités

Mpitondra fivavahana manenjika pasitera Mpisolovava ny devoly, hoy i Mailhol


  • Sabotsy 28 Oktobra 2017

Sarotra ny fiainana ka tsy manome tsiny ireo izay manenjika ahy aho, hoy ny pasitera Mailhol na André Christian Dieu Donné. Tsy ampy ny ampahafolon-karena ka raha manaratsy ny pasitera Mailhol no ahazoam-bola dia izay izany no atao.

 Valin-teny somary miharo fantsy ho an’ireo mpitandrina amina fiangonana zandriny hafa izay voalaza ho manenjika ny tenany ankehitriny, raha ny fahitana ny fanehoan-keviny omaly. Misy amin’ireo mpanenjika no milaza fa tsy tokony hanao politika ny mpitondra fivavahana kanefa dia vao maneho hevitra amin’ny haino aman-jery izy dia politika avy hatrany no resany. Lazainy fa devoly daholo ity olona rehetra misahana raharaha politika ity fa izy ihany izany no sady tsy azo disoina no tsy mety diso toa an’ny Papa. Amiko, mpisolovava ny devoly ireny satria te hampanjaka ny politika mifanohitra amin’ny politikan’ny baiboly. Ny politikan’ny baiboly dia hoe aza mangalatra fa ny mifanohitra amin’izany kosa ny an’ny mpanao politika ankehitriny. Manakana ny kolikoly ny baiboly fa ny zava-misy ankehitriny anefa dia ny mifanohitra amin’izay. Izay mpitondra fivavahana te hampanjaka ny fahamarinana, hoy izy, dia sakanana saiky na izany aza dia tsy hitory ireo izay manenjika ahy ny tenako satria ireny no hahalalako hoe mbola matanjaka noho izy ireo aho matoa henjehiny.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT