Actualités

Mpitondra fanjakana Mampikoroso fahana ny fanabeazana eto Madagasikara


  • Alarobia 03 Septambra 2014

Nopotehan’ny mpanao politika mpikaraman’ady amin’ny firaisana tsikombakomba amin’ireo vahiny mpanjanaka sy mpanam-bola ny firenena Malagasy hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara tamin’ny taona 1960, hoy ny resaka sy tafa heno eny anivon’ny fiarahamonina ankehitriny

Tsy mahagaga raha tsy mahavita fe-potoana iray na roa raha misy dia misy ireo mpitondra fanjakana voafidim-bahoaka nifanesy teto amin’ny firenentsika, hoy ihany ny takoritsiky ny mpiara-belona. Tsapa sy hita fa misy hatrany ireo andian’olona natokana fotsiny hanakorontana sy hitarika olona amin’ny fanonganana ireo mpitondra nampindramin’ny vahoaka fahefana tao anatin’izay 50 taona niverenan’ny fahaleovantenantsika izay, raha ny fandinihan’ny mpanara-baovao azy. Nampiavaka tanteraka ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 kosa anefa ny fahapotehan’ny sehatry ny fanabeazana Malagasy. Tsy mijanona amin’ny olana eny amin’ny tontolon’ny anjerimanontolo irery intsony mantsy ny tranga mampalahelo misy fa miitatra hatrany amin’ireo ambaratonga hafa. Porofon’izany ireo karazana korontana tsy ahitam-bahaolana matotra manomboka eny amin’ny ambaratonga fototra ka hatrany amin’ny oniversite. Azo ambara fa tena mampikoroso fahana ny fanabeazana Malagasy ireo mpitondra fanjakana nifandimby tao anatin’izay 5 taona farany izay. Ohatra mivaingana amin’izany ny fandaozan’ireo kilonga madinika an-tapitrisany lakilasy sy ny fampandoavam-bola ireo ray aman-dreny te hampianatra ny zanany eny amin’ny sekolim-panjakana. Fampahatsiahivana ihany no ilazana fa 85% ny taham-pitozoana napetraky ny fitondrana Ravalomanana ao amin’ny fanabeazana fototra dingana voalohany tamin’ny taona 2012.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT