Actualités

Mpitolon’ny Magro Namoy tia tanindrazana


  • Alatsinainy 14 Jolay 2014

Nodimandry ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy teo i "Bebe sono". Izy dia mpitolona tsotra resy lahatra teny amin'ny Kianjan'ny Magro......

. Ny nampiavaka azy dia ny fandraisany andraikitra tanteraka tamin'ny fitaterana ny “sono mobile” izay ampiasaina ao nandritra ny taona maro. Na dia efa nahazo taona aza i "Bebe sono" dia nanome izay kely ananany ary nijoro foana noho ny fitiavan-tanindrazana. Anisan’ny fanirian’ity zokiolona ity ny hifanatri-tava amin'ny filoha Ravalomanana saingy... Naheno izany ny filoha Ravalomanana ka dia nitondra ny teny fampiononana ho an'ny fianakaviany tamin’ny antso an-tariby nivantana avy any Afrika Atsimo ny sabotsy teo. "Tena malahelo aho, isika satria anisan’ny bebe iray nikarakara sy nanao ny azo atao rehetra teny amin’ny Magro amin’ny fitaterana ny sono izy. Tantely amam-bahona ny fiainana, fa mba naniry izy ny hahita ahy kanjo tsy izay ny fiainana”. Nisy iray minitra fahanginana tao anatin’izay. Halevina anio ny nofo mangatsiakan’i “Bebe sono”.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT