Mpitarika sendika roalahy

Nohelona 30 volana sazy mihantona


  • Alarobia 07 Febroary 2024

Nohelohin’ny Fitsarana sazy 30 volana an-tranomaizina sazy mihantona ny

filohan’ny Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra Sampanana Antananarivo na SECES sampana Antananarivo Pr Ravelonirina Sammy Grégoire sy ny filohan’ny Randrana Sendikaly Barson Rakotomanga. Raha tsiahivina nandritra ny raharaha nafana tamin'ny fifidianana no nitazonana azy ireo teny Fiadanana. Fiantsoana ny miaramila hikomy no loham-piampangana azy ireo izay nolavin'ireto mpitarika sendikaly ireto. Ny volana desambra ireo mpitarika sendika no niakatra fitsarana, saingy ny didim-pitsarana kosa no in-droa nihemotra ny famoahana azy ka izao vao nivaly. Nilaza i Barson Rakotomanga fa hampakatra ny raharaha amin’ny Fitsarana ambony. Betsaka ny fanambarana nataon’ny teo anivon’ny SECES Antananarivo, izay tsy nisorona tamin’ireo fahatsapana zavatra tsy araka ny tokony ho izy amin’ny fitantanana sy ny fanapahan-kevitra teto amin’ny firenena, ka mety nahatonga ny fanenjehana ara-politika. Anisan’ireny ny resaka zom-pirenena sy ny fihetsiky ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, izay nohitsian’io rantsan’ny SECES io fa zary lasa manaratsy endrika ny anjerimanontolo izay namolavola ireo mpahay lalàna. Ny fitakiana sendikaly ihany koa moa dia isan’ny nanamarika ny SECES Antananarivo ny taona 2023 izay nisian’ny grevy lavareny noho ny famaliana ireo zo sendikaly sy tsy fandoavana tambin-karama samihafa, ka tonga hatramin’ny fitakiana ny fialan’ny tompon’andraikitra ambony tsy mahavaha olana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT