Actualités

Mpitantana Cybercafé Manda ny handoa ilay 2.000 Ar isaky ny solosaina takian’ny OMDA ny ankamaroany


  • Alarobia 20 Aogositra 2014

“Tsy mazava aminay ny antony hampandoavan’ny OMDA anay ilay lelavola 2.000 Ar isaky ny solosaina isam-bolana. Tsy afaka ny handoa an’io lelavola io izahay raha tsy mazava aminay ny tena antony marina”.

Io no nambaran’ireo mpitantana cybercafé maromaro eto an-drenivohitra rehefa nanontaniana ny heviny mikasika izany. Ho ana cybercafé iray etsy Ampefiloha dia roa volana lasa izay no tonga nanatitra taratasy tao aminy ny OMDA mikasika io vola tsy maintsy hefaina io. Tsy nisy fanazavana anefa nandritra izany fa dia taratasy fotsiny no nomeny izay nanery azy ireo tsy maintsy handoa ilay lelavola tamin’ny volana nitsahiny tao anatin’ny 48 ora. Ankoatra io fitakiana io anefa, hoy ihany izy ireo dia mbola mandoa hofan-trano isam-bolana izy ireo, ny jiro, ny hetra alain’ny fanjakana isan-taona ary ny saran’ny “connexion”. Na izany aza anefa dia tsy niverina intsony ny OMDA. Miandry izay fivoaran’ny toe-draharaha ihany koa izy ireo, indrindra fa ny minisiteran’ny serasera izay mpiahy azy. Araka ny fantatra dia ho fiarovana ny zon’ny mpamorona rehetra anaty solosaina no antony tsy maintsy handoavan’ny Cybercafé io lelavola 2.000 Ar isaky ny solosaina isam-bolana io amin’izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT