Mpitandro ny filaminana

Miantso ilay nanolana zaza 6 taona hitolo-batana mora


  • Talata 05 Martsa 2024

Mpitandro ny filaminana Miantso ilay nanolana zaza 6 taona

hitolo-batana moramora Nanao fanambarana hentitra ny mpitandro filaminana omaly manoloana ilay tranga fanolanana zaza vao 6 taona tao Imeritsiatosika. Nangataka ilay nahavanon-doza hitonon-tena avy hatrany, na eny anivon'ny tobin'ny mpitandro filaminana akaiky azy indrindra tsy misy hatakandro. "Miantso an'i Da-Willy nanolana ilay zaza tany Imerimandroso Imerintsiatosika hitolo-batana ", hoy izy ireo. "Tsy maintsy ho tratra ianao na ho aiza na ho aiza", hoy ny Jeneraly Mamelison Mbina Nonos, talen'ny fikarohana ny fandikan-dalàna (DPJ) eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena, notronin'ny Kaomisera Divizionera Razafindrazaka Hector (DPJ Polisim-pirenena) sy Kaomisera Rasoamanarivo Lydie, lehiben'ny Foiben'ny sampandraharahan'ny polisy miaro ny zaza sy miady amin'ny heloka mamoafady (SCPMPM). Nanome baiko ho an’ny mpitandro filaminana mba hahafahana misoroka ny trangana fanolanana rehetra manerana ny nosy ary handray andraikitra haingana raha misy ny tranga. Nanentana ny ray aman-dreny ihany koa izy ireo mba hanara-maso ny zanany. Hentitra ny mpitandro filaminana manoloana ireo karazana trangana fanolanana zaza tsy ampy taona, ka nanamafy fa fandikan-dalàna mamoafady ny fanolanana, ka mila hampiharana ny lalàna mana-kery.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT