Mpitandro filaminana mamono olona

Tovolahy 22 taona matin’ny tifitra variraraka


  • Alatsinainy 08 Janoary 2024

Mitohitohy ny tranga famonoana olona ankitsirano ataon’ny mpitandro filaminana sasany.

Tovolahy iray tokony ho 22 taona no maty tsy tra-drano, notifirin'ny zandary iray tao Alakamisy Ambohijato, Distrikan'i Ambositra, ny marainan'ny Alakamisy 04 janoary 2024 tokony ho tamin’ny 4 ora maraina, raha handeha hivarotra kisoa tao amin'ny tsenan'i Alakamisy Ambohimahazo, Distrika Fandriana. Tifitra variraraka no nahazo azy, ka vodibala niisa 17 no noraofin'ny olona teo amin’ny toerana nitrangan'ny loza, raha ny tatitra avy any an-toerana. Notanana natao fanadihadiana avy hatrany ilay zandary nahavanon-doza, ary niakatra Fampanoavana teo anivon'ny Fitsarana ambaratonga voalohany Ambositra ny raharaha, ka notanana am-ponja vonjimaika ny tenany. Nolazain'io zandary io fa tsisy taratasy ilay kisoa. Ary saika hanenjika azy, hoy izy, ilay tovolahy 22 taona sy ny namany iray. Nahatezitra ny fianakavian'ny maty sy ny vahoaka ny nafitsok'ity « gendarme hors classe » ity, saingy niezaka nanao fandaminana ireo vahoaka tsy hikomy ireo Ben'ny Tanàna tao Imadiala. Nanao ny fomba ara-drazana ihany koa ny fianakaviamben'ny Zandary ao Ambositra ka nanolotra omby, ary naneho fiaraha-miory amin'ny fianakavian'ny maty. Tsy vao sambany ny toa an’io, fa ny alin’ny 20 desambra 2023 lasa teo ihany koa dia efa nisy ilay fitifirana nahafaty zazalahy kely iray vao 14 taona, tao amin’ny fokontany Tanandava ( Bekotika), distrikan'i Mahabo. Araka ny fitantaran'ireo nanatri-maso dia nitady ny rainy ireto mpitandro ny filaminana ireto, saingy i Freddy no hitany teo, ka raha saika hampilaza ny reniny, dia notifirina, ka maty tsy tran-drano. Tsy resaka fankahalana ny mpitandro ny filaminana, ary saonjo iray lohasaha tsy ilaozan’izay hamarara tokoa, fa raha itony tranga itony dia ny hitsikitsika natao hivavahana indray izany teto no nipaoka ny zanak’akoho, ny natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany no mandatsaka ain’olona amin’ny fomba feno habibiana, kanefa zavatra tokony ho azo alamina amin’ny fomba tsotra. Ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena kosa dia maneho hatrany rehefa misy ny tranga tahaka izao fa tsy miaro ny olony manao adalana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT