Tsy misy tandroka tokoa ny ratsy. Tsy nampoizina ny endriky ny fisolokiana mihaja ka saika voafitaka hatramin’ny orinasa goavana iray tao Antsirabe. Ny zoma 27 jona no nitsidika ity orinasa misahana ny fambolena sy Fiompiana tao Antsirabe II ity ireo olona roalahy....
izay nilaza fa iraky ny Prezidansa mba hanao fanadihadiana momba ny hetran’ilay orinasa ary nilaza fa misy tsy ara-dalàna izany. Nentin’izy ireo avy hatrany nanaraka azy taty Antananarivo ny Tale jeneralin’ilay orinasa ka norahonany fa raha tsy mandoa 50 tapitrisa Ariary dia hidoboka am-ponja. Taty aoriana dia mailo ny tompon’andraikitra hafa tao amin’ilay orinasa ka nanao fanadihadiana ka fantatra fa tsy nisy ny iraka nidina tany Antsirabe izany ka nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana. Rehefa natao ny fanadihadiana narahina fikarohana dia fantatra fa teny Ambohitsoa (Antananarivo) no nisy ireo mpisoloky ireo. Natao ny vela-pandrika ka sarona avy hatrany ny iray ary karohina ny namany iray hafa. Raha ny nambaran’ny mpitandro ny filaminana dia nanana taratasy hosoka maro be ireto mpisoloky ireto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.