Olona roa nisandoka ho mpiasan'ny Jirama ka nahavita fampidiran-jiro tsy ara-dalàna sy namindra kaontera no voasambotra ny 03 sy 04 Septambra lasa teo teto Antananarivo.
Vokatry ny fitarainana nataon'ny mpanjifa teny amin'ny masoivohon'nyJirama 67 ha, ny volana Aogositra teo no nahafahana nanao velam-pandrika ireto mpisandoka ireto.Ny 07 septambra lasa teo no niakatra fampanoavana ny raharaha ary naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo olona roa ireo. Ny 06 Oktobra ho avy izao no hiakatra fitsarana ny raharaha. Ny Jirama dia miantso ny mpanjifany tsy handoa vola raha tsy any amin'ny "caisse" natokany ho amin'izany ihany.Ny dingana rehetra amin'ny fampidiran-jiro sy rano eny amin'ny masoivohon'ny Jirama ihany no ara-dalàna sy manan-kery hoy hatrany izy ireo ka tokony samy hitandrina ny rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.