Mpirafilahy niady vehivavy

Matin'ny kapa famaky tamin'ny lohany ny iray


  • Alarobia 17 Aprily 2024

Ady vehivavy no namonoana olona tamin'ny fomba mahatsiravina tao Marovotsy Tsiareky Ambovombe ny alin'ny 14 Aprily 2024 tamin'ny 8 Ora Alina.

Vehivavy iray no niadivan'olona roa lahy satria samy niady te handromboka azy avokoa izy 2 ireo, saingy zava-doza no niafarany. Vokany, nokapain'ilay iray ny famaky ny lohan'ilay lehilahy iray rehefa nangotraka ny fifampiresahina teo amin'ny andaniny sy ankilany, tao an-tranon-dravehivavy, ka nandriaka ny rà. Lalina ny ratra nahazo ity lehilahy ity izay nisy fahasilahana mihitsy moa ilay lohany noho ilay "famaky" naranitra ka izao maty tsy tra-drano izao. Nitsoaka avy hatrany ilay nahavanon-doza rehefa nahavita ny asa ratsiny ary karohin'ny zandary ao an-toerana fatratra ankehitriny, hoy ny tatitra. Ny 15 Aprily tokony ho tamin'ny 6 Ora maraina mantsy vao nahazo antso avy amin'ny ben'ny tanàna ao an-toerana ny avieo anivon'ny Komandin'ny Tobim-paritra Ambovombe mahakasika ity vono olona tamin'ny fomba feno habibiana ity, raha ny fanamarihana. Taorian'ny fidinana ifotony nataon'ny zandary niarahana tamin'ny mpitsabo tao amin'ny CSB sy ny ben'ny tanàna ao an-toerana no nampandrenesana ny Tonia mpampanao lalàna, hoy ny tatitra. Andrasana ny tohiny!
Nangonin'i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT