Araka ny toromariky ny Boky Masina Kur’An ary toy ny fanaon-dry zareo amin’ny fanomezan-tanana ny mpiara-belona ao anaty fahasahiranana dia tonga nanome fanampiana ara-tsakafo toy ny vary,
paty sy zava-pihinana isan-karazany ho an’ireo voafonja rehetra voatazona eny Antanimora ahitana gadra silamo 120 izay vehivavy ny 15 amin’ireo, omaly alarobia 23 jolay, ny mpino silamo avy ao amin’ny Mosquée Ambatonakanga. Nohazavain’ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas, nisolotena ny mpanolotra, fa vao mainka zava-dehibe izao fanomezana izao noho izy nifanandrify amin’ny fanamarihana ny volana Ramadany, izay anisan’ireo andry iorenan’ny foto-pinoana silamo. Natokana ho volana fanaovana soa mantsy ity volana ity, hoy izy, ary ao anatin’izay koa no hifehezan’ny mpino silamo tena, hahatsapany ny hirifiry iainan’ireo tra-pahasahiranana. Lesona lehibe mivantana amin’ny fiainana tokoa, hoy ihany izy, ny fanatanterahana ny fifehezana mandritra io volana io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.